ActualitésTsidika

Alasora : Efa hanomboka ihany koa ny « tournoi du Maire 2022 »

Ho atomboka amin’ny fomba ofisialy amin’ny alahady ny lalao baolina kitra « Tournoi du maire 2022 » ao amin’ny kaominina Alasora. Lalao handraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy anjara ity ho atao ity.

« Ny lalaon’ny vehivavy no hanombohana azy amin’ny 01 ora tolakandro, izay hifanandrinan’ny Ekipan’ny Est Mahazoarivo sy Alasora. Ny lalaon’ny lehilahy kosa no manakaraka azy, izay hihaonan’ny Ambohivondava sy ny Est Mahazoarivo. Ny kabarin’ny ben’ny tanàna no manelanelana ny lalao » hoy ny mpikarakara avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Tsara tokoa ny ezaka ataon’ny kaominina amin’ny fitaizana ny tanora. Ny fanatanjahan-tena tokoa no isan’ny mampihena ny tahan’ny fandraisana zava-mahadomelina » hoy i Navalona, mponina ao Alasora.

Miantso ny mponina rehetra hiara-hanotrona ireo zanaky ny kaominina handray anjara ny mpikarakara. Marihana fa ao amin’ny CEG Alasora no hanatanterahana ny hetsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire