Famorana : Zava-mahery teo amin’ny Ntaolo
Efa tonga ny andro ririnina izay fanaovana ny hasoavan-jaza. Anisan’ny ankasoavana nataon’ny Ntaolo ho lehibe sy ambony izany. Fomba fanaon’ny Ntaolo teto Imerina ny hasoavan-jaza ary nihitatra tamin’ny faritra sy foko samihafa.
Andro lehibe sy malaza ary hiandrandrana fahasoavana ho an’ny zaza ny famorana ka izay no antony ilazana azy hoe « manao hasoavana » na « hasoavan-jaza » na « manikin-jaza » na « mandidy foitra ». Araka ny fomban-drazana dia fijerena ny tonon’andro mifanaraka amin’ny vintan’ilay zaza no dingana voalohany tsy maintsy natao talohan’ny dingana rehetra hafa. Kajiana tsara mba tsy eo amin’ny tonon’andro mandratra sy andro nahavelomany no hanatanterahana izany. Ny Alohotsy no anisany be mpanao indrindra, noho izy andro maivana ka mora sitrana ny fery. Ny tsy fanao kosa dia ny Adimizana, ny Adijady ary ny Adalo.
Hasaina ny fianakaviana sy ny mpiray monina mba hiaraka hiravoravo sy handihy amin’io andro io, ka rehefa tonga ny nasaina dia miteny hoe « Arahaba ririnina e ! », valian’ny tompon-trano hoe « samy vita e ! ». Mizara enina ny kojakojan-draharaha sy fombafomba momba ny hasoavana nentin-drazana : ny mivaky volo, ny mitohy temitra sy mifehy voatavo, ny mampakatra rano masina sy mitoetra an-dapa, ny mitsitsika, ny maka ranomahery, ary ny manentitra.
Ny mivaky volo no fiandohana amin’ny raharaha, ny ray aman-drenin’ny zaza no mivaky volo. Eo amin’ny toerana hamakiam-bolo no velarina ny tsihy lehibe madio, ka dia mipetraka eo ny rain-jaza sy ny renin-jaza ary ny mpianakavy sy ny famaton-kavana. Mitodika miantsinanana ireo mivavaka sy miantso an’Andriamanitra Andriananahary, ny hasin’ny Razana, sns…
Eo am-panoritana ny volo (soritra 2, hizara ny volo ho 3 toko) no miteny hoe « Sambasamba Andrimanitra Andriananahary, tsy ho azon-tsampona anie, sy ho azon-tambàna, hahaleo halasa anie ny zaza ». Rehefa vita ny vaky volo dia mandroso amin’izay ny dihy sy ny firavoravoana, ireo dihy ireo no atao hoe « dihy amin’ny vakin-tany », ka ny malaza indrindra amin’ireo dia ny « soratra », fanao amin’ny toerana malalaka. Rehefa vita ny fomba aman-dihy momba ny vaky volo, dia mandroso ny « Mitohy temitra ». Ny trano izay hanaovana ny hasoavan-jaza no notemerana lamba landy avokoa, ka io trano voatemitra io no atao hoe Lapa. Raha mbola mitohy ny temitra ny vehivavy, ny lehilahy kosa dia « Mifehy voatavo ». Maka irony voatavo misy tendany irony ny lehilahy maromaro mba hakana rano ilaina rehetra mandritra ny hasoavana.
Tena mahazo fahasoavana tokoa ny olona vita hasoavana, ka izay no nahatonga ny tenako nifidy ho atao hasoavana in-droa. Vazivazy izany.
Herimalala Ratsimbazafy
