Basketball : Tsy diso anjara i Ambohimanambola
Manana ny toerany ny baolina kitra eto Avaradrano, tsy diso anjara ihany koa anefa ny basketball, indrindra ao Ambohimanambola. Hisy fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fiadiana ny « coupe ondry » amin’ny 22 May amin’ny taranja basket.
« Miisa 16 ireo eklipa handray anjara amin’ity lalao ity. Avy ao Ambohimanambola avokoa ny 8 amin’ireo ekipa ireo raha ny hafa avy any ivelany. Tsy lany tanora matanjaka sy tia fanatanjahantena tokoa raha ny eto. Efa nisy ihany koa aza lasa ao amin’ny ekipam-pirenena mandray anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena ireny » hoy i Alain, mpikarakara ny lalao ao Ambohimanambola.
Marihina fa ekipa 10 no hilalao mandritra io lalao fanokafana io. Sady misy ekipa lehilahy sy vehivavy ny mpilalao amin’izany.
Nicole Rafalimananjara
