Pays-Bas : Niverina nandresy indray i Fabio Quartararo
40 min 35 sec 031 ampaharivony no fotoana nilain’i Fabio Quartararo (Yamaha) nibatana ny fandresena tamin’ny taranja MotoGP omaly. Faharoa i Maverick Viñales (Yamaha) ary fahatelo i Joan Mir (Suzuki). Mbola i Fabio Quartararo hatrany no mitarika amin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany (isa 156). Manaraka azy i Johann Zarco (Ducati, isa 122) sy i Francesco Bagnaia (Ducati, isa 109).
