ConseilTsidika

Torohevitra : Isan’ny mahatonga ny fikorotanan’ny saina ny tsy fahampian’ny Vitamine D

Ny tsy fahampian’ny Vitamine D no mahatonga ny fikorotanan’ny saina (depression). Maro tokoa mantsy ny tanora amin’izao no tratran’io fikorotanana io indrindra rehefa tojo olana fa eo ihany koa ny tsy fahampian’ny vitamine D.

Maro ireo fambara fa tsy ampy vitamine D ny vatantsika. Marary ny vanintaolana, ambany ny tosi-drà. Ny hakamoana ihany koa, zary toa kamo amin’izay atao rehetra. Ny faharerahana ihany koa dia isany amin’izany. Verivery saina na tsy mifantoka amin’izay atao izany ny olona tsy ampy azy. Lasa toa miahiahy na matahotra izany. Mety hitarika amin’ny famonoan-tena mihitsy aza. Betsaka ny mety mahatonga io vitamin D io tsy ampy toy ny tavy, ny fihinanana siramamy na mamy loatra. Ireo olona ao antrano na anaty birao matetika ihany koa satria ny tara-masoandro no isan’ny betsaka vitamin D.

Tsara foana ny mihinana legioma na voankazo misy vitamine D sy magnesium. Tsy tsara ny mihinana sakafo kely na ody ambavafo isaky ny mihetsika. Mila mitandrina tsara, indrindra ny tanora, amin’ity tsy fahampiana vitamin D ity. Tsara ihany koa raha manao fanatanjahantena hanalana ny tavy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire