Masindray : Notolorana fanomezana ireo zokiolona
Nahazo ny anjarany avy amin’ny kaominina ireo ray amandreny zokiolona, ao amin’ny kaominina Masindray, tamin’ny fankalazana ny noely teo. Nozaraina vatsy sy fanomezana isan-karazany izy ireo, araka ny voalaza.
“Natao indrindra ny fanolorana fanomezana tahaka izao, indrindra fa ho an’ireo ray amanandreny, mba ho fanamarihana ny noely teto amin’ny kaominina. Izany dia hisaorana ireo mpiara-miasa sy mpanohana hatrany izay angady nananana sy vy nahitana ireo fanomezana” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
“Mendrika ireo ray amandreny tokoa ny fanomezana sy fahatsiarovana ireo ray amandreny lehibe eto an-toerana tahaka izao. Hirariana moa ny hitohizan’ny hetsika hatrany fa tsy mba handalo fotsiny ny tahaka izao” hoy I Lala, mponina ao Masindray.
Anisan’ny manamarika ny fankalazana ny noely isan-taona ny fizarana fanomezana sy fanampiana. Zava-dehibe tokoa izany satria izay no tena voizina ato anatin’ity andro malaza iray ity dia ny fifanomezana.
Manitra Ramanantsoa
