Actualités

7 juillet : Razafimanazato Julien.

Teraka ny 7 jolay 1968 tao amin’ny kaominina ambanivohitry Mandritsara, ao anatin’ny faritry Sofia Madagasikara i Razafimanazato Julien. Minisitry ny fanabeazam-pirenena ny 19 martsa 2009 hatramin’ny 26 martsa 2011. Nandritry ny governemanta notarihin’i Monja Roindefo tao anatin’ny fitondrana Tetezamita no nahafantarana azy. Nianatra tamina sekolim-panjakana hatrany izy tamin’ny fahakeliny, noho ny rainy izay mpampianatra ka matetika izy no mifindra toeram-pampianarana. Mpianatra tao amin’ny Lisea « La Victor » tao Miadana Mandritsara ihany koa izy ary tao no nahazoany ny marim-pahaizana Bakalorea siantifika taranja matematika ny taona 1986. Efa nanomboka nisehatra teo amin’ny tontolon’ny fampianarana izy ny taona 1984 raha nahazo ny mari-pahaizana mifanaraka amin’izany tany amin’ny ministera. Tao anatin’izany fotoana rehetra niseharany tamin’ny fampianarana izany no nivoarany tamin’ny sehatry ny fanabeazana. Taorian’ny nahazoany ny marim-pahaizana Bakalorea, nanatanteraka asa fanompoam-pirenena tao amin’ny tafika malagasy izy. Nanohy ny fianarany tao amin’ny Oniversiten’ny Fianarantsoa ary nahazo ny Diploma « Licence » ny taona 1994 indray ary « Maitrise » kosa tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, taranja matematika hatrany. Nandranto fianarana tany am-pitan-dranomasina izy taorian’izay ary nanohy ny fianarany tao amin’ny Oniversite Paris XI Orsay ka nahazo ny marim-pahaizana maha Injeniera azy ny taona 2001. Mpikambana maharitra tao amin’ny filan-kevim-pirenena momban’ny fampianarana « Conseil National de l’Education (CNE) » ihany koa i Razafimanazato Julien nandritra ny fotoana naha minisitra azy. Fanampin’izany, mpikambana tao amin’ny antoko politika Espaces Solidarité pour le Développement (ESD) izay nanolotra azy hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ny taona 2013.

Razafimanazato Julien est né le 7 juillet 1968 dans la commune de Mandritsara, située dans la région Sofia. Ministre de l’éducation national malgache de 2009 à 2011 durant la Gouvernement du Premier ministre Monja Roindefo, Il avait fréquenté différentes écoles publiques à son jeune âge étant donné que son père est un instituteur. Razafimanazato Julien a étudié au Lycée la Victor Miadana de Mandritsara et a obtenu son diplôme Baccalauréat scientifique en 1986. Il a commencé sa carrière en tant qu’enseignant en 1984, quand il a obtenu la qualification appropriée du ministère. Il a débuté et évolué dans le domaine de l’éducation. De 1987 à 1988 il a effectué son service national au sein de l’armé malgache. Il a continué ses études à l’Université de Fianarantsoa dans la mention Mathématiques où il a obtenu sa licence, et en 1994 sa Maitrise en mathématiques à l’Université d’Antananarivo. Il est ensuite parti en France pour poursuivre des études et il a eu son Diplôme d’Ingénieur en Mathématiques à l’Université de paris XI Orsay, promotion 2001. Il est membre permanant du Conseil National de l’Education (CNE). Il est également membre dans la Parti politique Espaces Solidarité pour le Développement (ESD) qui l’a porté candidat lors de l’élection présidentielle de 2013.

Laisser un commentaire