Nisy ny hetsika fanaovana vaksiny Polio andiany faha-16 tany Ambositra
Ilaina ny fanaovam-baksiny mba hisorohana ireo aretina marobe izay mety hitari-doza raha tsy voaaro. Vao kely ny zaza dia efa tokony hisitraka vaksiny hanampy ny hery fiarovany manoloana ireo aretina isan-karazany toy ny lefa-kozatra.
« Mila atao vaksiny ny zaza latsakin’ny herintaona mba hanampy azy hiady amin’ireo aretina mety hahazo azy toy ny polio » hoy ny mpitsabo iray teo anivon’ny CSBII. Tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Tao Ambatofitorahana no nanatanterahana omaly ny fanombohana ôfisialy ny hetsika fanaovana vaksiny polio atete amin’ny vava sy ny fizarana vitamina A ary ny famitàna ireo andiam-baksiny tsy vita andiany faha-16.
« Telo amin’ity izao ny zanako ary samy nahazo vaksiny polio avokoa izy ireo raha androany ity farany ity no nahazo niampy vitamina ihany koa » hoy ny renim-pianakaviana iray nitondra ny zanany nandritra izany.
Nicole Rafalimananjara
