ActualitésTsidika

Fanabeazam-pirenena : Miroso amin’ny fampivoarana ireo mpiasa ho fanatsarana ny asa

Nanambara ny ministera ny fanabeazam-pirenena ny 2 aogositra lasa teo  fa hisy ny fihaonana nasionaly mahakasika ny mpiasa misehatra eo anivon’ny fanabeazam-pirenena izay haharitra telo andro any Mahajanga isany hoe hatramin’ny 4 aogositra izao. Antony izany ny tsy fihainoana ny  antsoantsoin’ireo mpiasa sy ny fitarainany manoloana ny tontolo ny asa misy azy ireo. Hiresahana sy Handinihina ny fanatsarana ny fampidirana mpiasa sy ny fepetra raisina hoan’ireo mpiasam-panjakana misehatra eo amin’ny tontolo ny fanabeazam-pirenena no tanjona amin’izany atrikasa izany.

Handraisan’ny Talem-paritra ny fanabeazam-pirenena, miisa 22 izy ireo  manerana ny nosy ary koa ireo teknisianina maro samihafa misehatra eo anivon’ny fanabeazam-pirenena anjara. Natao izany mba ahafantarana bebe kokoa ireo olana sedrain’ireo mpiasan’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampivoarana azy ireo amin’ny asa ataony. Maro tokoa mantsy ireo mpiasam-panjakana no mitokona sy mitaraina eny amin’ny Ministera maro samihafa. « Efa nisy ny fihaonana ifotony teny anivon’ireo fari-piadidian’ny fampianarana (CISCO) rehetra manerana ny nosy mialohan’izao fihaonana nasionaly ho tanterahina izao » hoy ny avy ao amin’ny Ministera.

Nomarihin’ny sekretera jeneralin’ny ministera ny fanabeazam-pirenena, Felamboahangy Ratsimisetra fa irina hitondra vokatra hita maso sy azo tsapain-tanana eo amin’ny fanatsarana ny fiainana ireo mpiasan’ny fanabeazam-pirenena izao fihaonana nasionaly izao, ary indrindra ihany koa eny anivony ireo sekolim-panjakana. Andanin’izay dia notsindrian’ny  Tale eo anivon’ny departemanta ny fampidirana mpiasa eo amin’io ministera io ihany, Masimbonjy Eloudouini Sendradilifera ny maha zava-dehibe ny fihaonana mba hisian’ny fifandraisana sy ny fahalalana tsara ireo filàn’ny mpiasa. « Tsy hisy vokatra tsara raha toa ka miaina ao anatin’ny fahateriterena sy fahasosorana ireo mpiasa » hoy hatrany izy.  Nomarihiny ihany koa fa ny fandefasana ny mpiasa any amin’ny faritra « affectation » dia tokony hahatsara azy fa tsy hiteraka olana.Tsara rehefa misy ny ezaka ho fanatsarana ny fampianarana eto Madagasikara.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire