Hiakatra ny vidin’entana vita sinoa
Hisy ny fiakaram-bidy amin’ireo entana hafarana avy any Chine noho ny fahasarotana amin’ny fitaterana azy amin’ny fikatonan’ny sisin-tany. Vitsy ny kaontenera mivezivezy eo amin’i Madagasikara sy i Chine ka isan’ny hampiakatra ny vidin’entana ihany koa izany kanefa efa maro ny manjifa entana avy any Chine eto Madagasikara.
« Sarotra ny fitaterana ny entana hafarana no sady tsy afaka miantsena any intsony izahay, ny entana hafarana amin’ny Aterineto anefa tsy azo antoka ny tena hatsarany » hoy i Ony, mpivarotra. « Vitsy ny kaontenera ka tsy maintsy mandoa vola avo roa heny amin’ny fitaterana ireo mpiantsehatra amin’ny fividianana entana avy any Chine satria ny tompon’ny kaotenera mampandoa sarany hiverenan’ny kaontenera tsy misy entana avy aty Madagasikara hiverina any Chine » hoy i Tojo, tantsambo Malagasy.
« Isika mbola tsy mivelatra tsara amin’ny resaka Indostria ka tsy maintsy mila ny entana avy any Chine, raha any amin’ny firenen-kafa mantsy lafo mihoatran’ny vokatra avy any Chine » hoy i Njara, mpanjifa. Hiakatra ny vidin’entana, tsy ny entana eto an-toerana ihany noho izany no hiakatra fa ny vidin’entana vita sinoa ihany koa. Ny fiainana anefa efa iaraha-mahalala fa anaty krizy ara-toe-karena isika amin’izao fandalovan’ny covid-19 eto amin’ny nosy izao. Hanao ahoana ny fahefa-mividin’ny tsirairay ?
Nicole Rafalimananjara
