ActualitésTsidika

Manandriana: Tafapetraka ny ady fototra ny hananganana trano fianarana vaovao

Notontosaina ny faran’ny herinandro iny ny ady fototra hananganana ny trano fianarana, ny Lycée Radama I ao Manandriana. “Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny lafin’ny fampianarana ny fananganana trano fianarana tahaka izao, ho tombotsoan’ny zaza Malagasy, indrindra ny ety amin’ny kaominina ambanivohitra, dia lalana mitondra amin’ny fampivoarana ny fanabeazana izany” hoy i Nirina, mpampianatra.

“Tsy mora ny manangana foto-drafitr’asa, indrindra ho an’ny tombotsoan’ny daholo be tahaka izao. Hirariana so any mba hahavitan’izany hatramin’ny farany ary hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny ezaka asehony isan’andro hanatsarana ny fampianarana” hoy i Lalao, mponina ao Manandriana.

Taratry ny fandrosoana ny fandraisana andraikitra amin’ny fijerena ny mahakasika ny sekoly eny ifotony. Ny fianarana tokoa raha tsy zarizary, tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra dia zava-poana ary tsy hisy ny fanabeazana ny zaza Malagasy.

Manitra R.

Laisser un commentaire