Notokanana ny kianja filalaovana tsipy kanetibe ao Tongarivo Tanjombato
Fotodrafitrasa nataon’ny Ben’ny Tananan’ny kaominina Tanjombato sy ny solombavambahoakan’Antsimondrano Andry Ratsivahiny ity kianja ity manara-penitra ity. Nanatrika io fanokanana io avokoa ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena vaovao Mamod’Ali Hawel, ny governoran’ny faritra Analamanga, ny lehiben’ny district Atsimondrano sy ny Filohan’ny Federasionina ny Tsipy kanetibe. Nararaotra nisaotra ny Filoha sy nilaza ny hijery manokana ny taranja tsipy kanetibe manokana ity Miinistra ity nandritran’io fotoana io.
« Tsara ny fotodrafitrasa, mahazo kianja ny mpilalao kanetibe, mahatsapa ho misy mpijery » hoy Ramily,mpilalao tsipy kanetibe. Ho an’I Rado, mpianatra kosa : « Tsy tokony ho andaniana vola be ny fanaovana fotodrafitrasa tahak’izao. Tokony ny sosialim-bahoaka no atao laharam-pahamehana aloha ».
Hita taratra amin’izao fa miompana any amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa hatrany ny fanjakana. Marina fa mitondra fanatsarana ny tanana sy fialam-boly ho an’ny vahoaka izy ireny ary ao anatin’ny vinan’ny Filoha saingy kosa tsy tokony atao laharam-pahamehana tahak’izao hatrany. Tsara ny fanamboarana azy ireny fa tokony hisy ny fifandanjana eo amin’ny sehatra hafa toy ny famoronan-kasa ho an’ny tanora, fananganana fotodrafitrasa afaka hiasana ho fanampiana ny mponina amin’ny asa fivelomana.
Raha mifandanja tsara ireo : ny Tanana tsara, ny olona ampy fialam-boly ary ny mponina afaka mivelona tsara. Na izany aza, tsara ihany ny mahafantatra hoe iza no afaka milalao amin’ity « boulodrome » ity, misokatra ho an’ny daholobe ve sa ho an’izay manana fikambanana amin’ny tsipy kanetibe ihany ?
Tsangy Randriamampianina
