Arivonimamo: Nahitana aretin’omby vaovao
23 Aogositra, 07:30. Aretina tsy fahita no mahazo ny omby ao Arivonimamo. Feno biby kely mandrakotra ny lelan’ireo omby ary miha-mahia izy ireo. Mitarika hatramin’ny fahafatesan’ny omby mihitsy io aretina vaovao io.
