Fotodrafitr’asa: Vitaina mialohan’ny faran’ny herinandro ny lalana eto Antananarivo
Dépêche 23 mars, 13h, Efa naniomboka efa andro maromaro izay ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo. Ezahina ho vita alohan’ny faran’ity herinandro ity ireo lalana namboarina ireo. Efa miditra amin’ny famendrahana tara ny tomponandraikitra ho an’ny lalana mampitohy an’Ankadimbahoaka sy Ankadievo Efa vita ny « scarification » ny lalana mampitohy an’Ambodin’Isotry sy « Aigle noir » ary efa manomboka ny « travaux de compactage » amin’izao ny orinasa tomponandraikitra. Aorian’izany kosa dia efa hanomboka ny fanamboarana ny lalana eo Ampefiloha sy ny manodidina. Entanina ihany koa ireo mpampiasa ireny lalana vao hamboarina ireny amin’ny fikojakojana izay vita.
