Gaza : Voasakana ireo fanampiana ara-tsakafo ho an’ny mponina
Na efa mananontanona ny mponina aza ny mosarena, amin’izao fotoana, ao Gaza, dia mbola nosakanan’ireo tafika Israelianina tsy hiditra ny faritra ihany koa ny fanampiana ara-tsakafo nomen’ny programa iraisam-pirenena ho an’ny sakafo (PAM), ny talata teo. Vokatr’izany, nifandrombahan’ireo vahoaka, izay efa tao anatin’ny fahaketrahana sy famoizam-po ity fanampiana ara-tsakafo ity. Raha ny nambaran’ny PAM, kamiao lehibe miisa 14 no nitatitra sakafo milanja 200 taonina, ho any amin’ny faritra avaratry ny firenena ity saingy nosakan’ireo tafika israelianina izany. Mponina 2,2 tapitrisa ao amin’ny faritra avaratr’i Gaza moa no tandindon-dozan’ny mosarena amin’izao fotoana.
