Miroso ny fananganana ny foibe fanatobiana sy fanodinana diky ao Fianarantsoa
Anisany tena takiany amin’ny ady amin’izao valan’aretina izao ny fisian’ny tanàna madio sy milamina. Ho an’ny mponina ao Fianarantsoa manokana, nisy ny fananganana orinasa manokana hanatobiana sy hanodinana ireo diky any an-toerana. Alaina manokana any amin’ny tokantrano sy toeram-pidiovan’ny tsirairay mihitsy izy ireny ary hatoby ao amin’ity toerana iray ity. Ao anatin’ny fanatanterahana ilay tetik’asa 3F (Fanadiovana eto Fianarantsoa ho amin’ny Fampandrosoana) ity hetsika atao ity ary efa mandroso tokoa ny asa amin’izao. 70% amin’ny asa fanamboarana no efa vita ary manaraka ny fenitra ara-pahasalamana sy ny fitandroana ny tontolo iainana tanteraka ity fotodrafitr’asa ity. Ao Ambahisamotra no hametrahana ity foibe toeram-pitobiana ity ary hanomboka tsy ho ela ny asa fanalana ireo diky isan-tokantrano any an-toerana. Aoriana kely, hisy ihany koa ny fanodinana ny diky ho lasa angovo azo harehitra na ihany koa zezika. Handalo fikarakarana maro samihafa noho izany ny diky ato amin’ity toby iy. Azo eritreretina ihany koa ny fanaparitahana ny tetik’asa toy izao ho an’ny fitandroana ny fahadiovana isam-paritra. Mety azo raisina ihany koa ny fananan’asa ho an’ireo tanora vonona hisehatra amin’ny fanodinana izany.
Ally Herisoananahary
