Ny toro-marika mikasika ny fiverenan’ny mpianatra any an-tsekoly ny Alarobia ho avy izao
Nisy ny fifampiresahan’Andriamatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Tsikel’Iankina Ernest, tamin’ireo mpanao gazety omaly 31 May 2021. Niresaka indrindra mikasika ny fiverenan’ireo mpianatra sy ny mpiofana rehetra eny anivon’ny toeram-pampianarana izy ireo. Isan’ny toro-marika nandritra izany ny fidiran’ny kilasy isan’ambaratongany any na-tsekoly indray manomboka rahapitso 02 Jona raha araka ny baiko nomen’ny Filoham-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ireo izay manaraka ny Fampianarana Teknika (Formation Professionnelle Initiale), sy ireo manaraka ny Fanofanana arak’asa. Tsy maintsy arahana ny fepetra aram-pahasalamana izay napetrakin’ny Fitondram-panjakana hoy hatrany izy, toy ny fanajana ny elanelana 1metatra sy ny fanaovana aro-vava orona. Ny Toeram-pampianarana dia tsy maintsy diovina sy rarahana ranom-panafody indroa isan-kerinandro (ny alarobia sy ny sabotsy). Tsara raha arindra ny fandaharam-potoana mba tsy hivangongoan’ny mpianatra, ary atao samihafa ny fidirana, ny fakan-drivotra sy ny firavàna, mba ho vitsivitsy ireo mpianatra mifanena eny an-tokontany. Ny Fampitàna ny lesona izay efa natao dia tohizana hatrany, toy ny fizaràna ny « polycopies », na amin’ny alalan’ny tamban-jotran-tserasera. Tsy maintsy vitaina hatramin’ny farany ny fandaharam-pianarana izay efa voarafitra ofisialy, samy manao ezaka ny tsirairay hanatontosana izany. Ny fanomanana ireo kojakoja ho amin’ny fitandremana ara-pahasalamana dia tsy maintsy azo alohan’ny Alarobia 02 Jona 2021, mba hitandremana ny ain’ireo zanantsika hiverina an-tsekoly ireo. Hatreto dia tsy misy fiovàna raha ny mikasika ny datim-panadinana. Voatazona araka izany ireo datim-panadinana rehetra voafaritra ofisialy.
Diamondra Randriantsiferana
