Fanamboaran-dalàna mampitohy an’I Bevoay sy Manja
Maro ireo asa fanamboarana voatery natsahatra noho ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana teto Madagasika taoa anatin’izay volana roa mahery izay. Anisany voatery najanona tamin’izany ny fanamboarana sy famitana ny lalam-pirenena faha-9 mampitohy an’I Bevoay sy Manja. Namoaka didy noho izany ny Ministry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny amin’ny hanafainganana ny asa fanamboarana ity lalàna ity. Efa any an-toerana avokoa ireo fitaovana ilaina sy ireo mpiasa hisehatra amin’ity fanamboaran-dalana ity amin’izao fotoana ary efa nanomboka ny asa. Ao anatin’ny tetik’asan’ny fitondram-panjakana ny famitana ireo lalàna rehetra manerana an’I Madagasikara. Firy isan-jato no vita izay? Firy isan-jato no naharitra? Maro ireo lalàna izay lazaina fa efa vita saingy tsy mahadila taona iray akory dia efa ahitana fahasimbana sahady. Firifiry amin’ireo lalàna avy namboarina no efa mila fanamboarana sahady indray amin’izao fotoana? Fotodrafitr’asa maharitra no andrandrain’ireo vahoaka sy ilainy fa tsy zavatra mandalo toy ireo efa nisy hatrizay.
