France : Zaza tsy ampy taona nitondra fiara niaraka tamin’ny rainy mamo
14 taona mahery any France vao tokony hanana zo hitondra fiara tsy misy fahazahoan-dalana. Raha iny nanara-maso ny fifamoivoizana ny alina nanomboka ny 31 jolay hatramin’ny 2 aogositra tany Abbeville, Somme iny anefa ny polisy no nahatsikaritra zavatra tsy ara-dalàna. Zazalahy 11 taona no teo am-pamiliana fiara ary hita tao anatin’ny fiara ihany koa ny rainy izay mamo tanteraka. Nanazava ilay zazalahy fa hitondra ny rainy hody no tena tanjony. Tsy maintsy narahin’ny polisy avy eo ny fiara ary tsy eken’ny lalàna izao ataon’ny rainy izao hoy ny fanazavan’ireo polisy.
