ActualitésTsidika

Fahasalamam-bahoaka : Nahitana fiakarany 10% ireo trangan’ny homamiadana

Niakatra 200 hatramin’ny 700 ireo trangana homamiadana voamarina eto Madagasikara. Ny taona 2018 dia nahatratra 18 000 ireo tranga homamdiana voaisa teto Madagasikara araka ny AROM (Association d’Appui à la Radiothérapie etl’Oncologie de Madagascar).

« Miakatra hatrany amin’ny 10% isan-taona ny tahan’ireo olona voan’ny homamiadana. Tamin’ny taona 1986 no nahitana tranga 200 ary nitombo avo telo heny izany ny taona 1997 ».  Hoy ny Profesoa Josoa Florine Rafaramino, Filohan’ny AROM. Araka ny tombatomban’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na OMS mety hisy fiakarany 80% izany hatrany amin’ny taona 2040 hoan’ireo firenena manana fidiram-bola marefo na antonony toa an’i Madagasikara.

Anton’izany ny tsy fahampian’ny enti-manana hahafahana misoroka ny homamiadana. Ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza (col de l’utérus) no tranga fahita matetika eto Madagasikara. « Matetika ireo fambara toy ny fivontosana, fahaverezan-drà maharitra telo na efatra herinandro no mateti-piseho. Ireo vehivavy mihoatra ny 40 taona dia tokony hitandrina ary hanantona avy hatrany ny tobim-pahasalamana » hoy ny Dokotera Rodigue Hasiniatsy, tompon’andraikitra eo amin’ny sampana Onkolojia eo amin’ny Centre Hospitalier de Soavinandriana. Ny tsy fahalalan’ireo olona ny mombamomban’ny aretina mahazo azy no mahatonga ireo trangana homamiadana miharatsy.

« Ny fisorohana sy fitiliana ny homamiadanana no tokony ho atao. Ary ny fanaovana fizahana mialoha no hahalalana ny karazana homamiadana ao amin’ilay olona sy ny fitsaboana azy ». Hoy hatrany ny Filohan’ny AROM. Maro amin’ireo olona voan’ny homamiadana no tsy afaka manaraka ny fitsaboana satria lasa sakana ho azy ireo ny fahalafosan’ny vidin’ny fitsaboana. « Ny renibeko izao misy homamiadan’ny nono, manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly iray izy. Lafo dia lafo ny traitement fa tsy maintsy atao ilay mba hahafahana mandevona ilay fivontosana ». Hoy i Denis, raim-pianakaviana iray.

Hanatanteraka atrik’asa hahafahana manazava amin’ireo olona ny tokony hatao sy ny fisorohana ny homamiadana araka izany ireo manam-pahaizana momba ny fahasalamana mba hananan’ireo olona fahalalana amin’ny homamiadana.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire