Fanarenana ny sehatry ny fizahan-tany
Nanolotra tolokevitra ny hanokafana ny sisin-tany ireo mpisehatra eo amin’ny fizahan-tany eto Madagasikara.
Mba hanarenana ny tontolon’ny fizahan-tany, nanolotra hevitra ny fitondram-panjakana mba hanokafana ny sisin-tanin’ireo toerana fialan-tsasatra ireo fikambanan’ny orinasa eto Madagasikara ary ireo mpizaha-tany vita vaksiny ihany noafaka miditra eto Madagasikara. Efa volana maromaro izay no nikatonan’ny sisin-tanin’i Madagasikara ka nikatona toy izay koa ny sehatry ny fizahan-tany satria tsy misy intsony ireo mpizaha-tany izay tena iveloman’ireo mpisehatra eo amin’ity sehatra iray ity ary marihana fa efa mahatratra eo amin’ny 38 000 ny asa very noho ny valanaretina ary olona amina tapitrisany no tsy an’asa intsony, ny fatiatoka tsy lazaina intsony.
Mitaraina mafy ireo olona mivelona amin’ny sehatry ny fizahan-tany noho ny fahatapahan’ny asan’izy ireo amin’izao mboloa tsy fisokafan’ny sisin-tanin’i Madagasikara izao ary milaza izy ireo fa tena tafiditra trosa mihitsy ka mangataka ny filoha mba hijerevana an’izy ireo ary ny hanofana ny sisin-tany. Tsy misy afa-tsy ny fanokafana ny sisin-tany ho an’ireo mpizahan-tany vita vaksiny no vahaolana mety amin’izao zava-misy izao hoy ireo mpandraharaha ary namafisiny fa anisany mampihena ny harin-karena eto amin’ny fanjakana ny tsy fisokafan’ny sehatry ny fizahan-tany satria hoy ihany izy ireo ny fizahan-tany no tena mampiditra vola vahiny betsaka eto.
Tena ilaina tokoa ny fisokafan’ny sisin-tany mba hanarenana ny sehatry ny fizahan-tany eto amintsika indrindra ny toe-karena sy ny sandan’ny vola Ariary saingy mbola sarotsarotra ny hanantaterahana izany noho ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus maneran-tany ka mety atahorana ny hisian’ny « 3 ème vague » indray eto Madagasikara noho izany ilaina ny fihaonan’ny mpisehatra eo amin’ny fizahan-tany sy ny minisiteran’ny fizahan-tany mba hamahana izany olona izany. Ary mitrandraka ny fizahan-tany antiny koa ireo izay amin’ny sehatry ny fizahan-tany.
Anja Raharimalala
