ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Lehilahy iray voadaroka, ary lasan’ireo olon-dratsy ny moto

Miseho lany ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy. Ny alatsinainy, tamin’ny 4ora tolk’andro, lehilahy iray no voadaroka teny ambony moto nentiny, ary lasan’ireo olon-dratsy nandositra ny moto, araka ny voalaza.

« Raha ny tsy fandriam-pahelemana eto dia tena mampihaiky, ary mandry tsy lavo loha ny mponina. Hanaovana antso avo amin’ny mpitandro filaminana fa tsy mifidy ary tsy mitsitsy ireo olon-dratsy na andro na alina, mijaly ny mponina » hoy i Rogé, tompona tsenam-barotra.

« Mila miray hina ny mponina sy ny mpitanro filaminana amin’ny fitadiavana ireo mpangalatra. Ireo mahafantatra ny mety ho loharano hiafenan’ireo mpangalatra dia tokony mitoroka satria fanetri-ben’ny fiaraha-monina. Ireo mpangalatra kosa tokony ho faizina, na fongarina ahafay ny hafa » hoy i Donnée, mponina ao Ambohitrarahaba.

Telo lahy moa no voalaza nidaroka ity lehilahy ity. Nohenjehin’ireo polisy teny amin’ny manodidina ireo farany saingy tsy mbola tratra.

Laisser un commentaire