ActualitésDépêchesSocialTsidika

𝗟𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗔𝗠𝗕𝗔𝗧𝗢𝗙𝗢𝗧𝗦𝗬-𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔

📍Manomboka ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy an »Ambatofotsy sy Andramasina.

Tafiditra ao anatin’ ny fandaharan’asa MROR « Marché Routier à Obligation de Résultats », tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena izany, izay mikendry ny hanatsara ny kalitaon’ny lalana sy ny fikojakojana azy mandritra ny fotoana maharitra.

➡️ Mizara roa ny dingan’ny asa:

▪️enim-bolana voalohany, hanaovana ny fanarenana ny lalana,

▪️aorian’izay, dia hitohy ny fikojakojana izany mandritra ny telo taona.

🛣️ Lalana lehibe mampifandray kaominina 14 ity lalana asiana fanarenana ity.

Lalana tena ifamezivezen’ny fiara mavesatra ihany koa, indrindra ireo kamiao mitatitra vokatra avy any amin’ireo kaominina mpamokatra, toy ny Alatsinainy Bakaro, Ambohimiadana, hatrany amin’ny faritra manodidina an’i Tsiazompaniry.

Manodidina ny 7 taonina isan’andro ny ovy miakatra avy any amin’ireo faritra ireo amin’ny alalan’ity lalana ity.

Ankoatra izany, efa nisy ny asa maika natao, tamin’ity taona ity, tamin’ny alalan’ ny famatsiam-bolan’ ny Fanjakana Malagasy , izay nanarenana sy nanamboarana ny sisiny sy ny « tablier »-n’ilay tetezana eo amin’ny fidirana an’Andramasina, sy ny fanarenana ny fihotsahana na « brèche » teo akaikin’ny renirano, izay nitarika fahatapahan-dalana teny Andramasina.

Ny asa lehibe indrindra kosa dia ny fanoloana ny tetezana Ambohitrandraina, izay tetezana vy efa antitra. Ho soloina tetezana beton tanteraka izy io, mba hahafahana mandray fiara mavesatra sy manamafy ny faharetan’ny foto-drafitr’asa.

Efa eo am-panatanterahana ny asa fanomanana, ary hisy fepetra hentitra momban’ny lanjan’ny fiara mandalo mandra-pahamain’ny beton sy hahafahan’ny tetezana vaovao ampiasaina tanteraka.

🔎 Nidina ifotony teny an- toerana, androany, nijery ny zava-misy sy ny fizotry ny asa ny avy amin’ny Minisiteran’ Asa Vaventy, notarihin’ny Talen’ny Kabinetra 𝐑𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐂𝐡𝐫𝐢𝐬𝐭𝐢𝐚𝐧.

Laisser un commentaire