Antsirabe : Vahiny nandona fiaran’ny mpitandro filaminana
10 Janoary, 08h30. Teratany vahiny iray no nandona ny fiaran’ny mpitandro filaminana tany Antsirabe Voalohany. Fantatra fa mamo ity vazaha ity. Notazomina ny fiaran’ity lehilahy ity. Eo am-pela-tanan’ny mpitandro filaminana kosa ilay vahiny.
