ActualitésTatitra

Seychelles : Tra-tehaka ireo mpanjono dauphins

Sambo mpanjono tsy ara-dalàna iray no tra-tehaky ny tafik’andranomasin’i Seychelles sy Etats-Unis nandritra ny fanazaran-tena niarahan’izy ireo. Avy hatrany dia nosavain’ireo miaramila ny sambo ary gony miisa 19 nisy hena dauphins no tratra tao anatin’izany. Raha ny fanazavana dia tao antin’ny sambo ihany no novonoina sy norasaina ireo biby ireo.

Voarara ny fanjonoana dauphins ao Seychelles, toy ny amin’ny firenena maro. Maro ihany koa nefa ireo firenena mahasahy mividy lafo ny henan’io biby io toy ny ao Extrême-Orient, indrindra ao Japon. Fantatra nefa fa misy poizina noho izy feno « mercure » ny nofon’ny dauphins. Olona enina avy ao Sri-Lanka kosa no voasambotra tao anatin’io sambo io.

Laisser un commentaire