ActualitésTsidika

SSMAF: Hetsika iray azon’ny tanora trandrahana sy hakana traik’efa

Hetsika iray karakarain’ny BTC Ambohimangakely ny SSMAF. Ny BTC izay ivon-toerana iray manome lanja ny zava-kanto, ny fanatanjahan-tena ary ny fifaninana isan-karazany. Fanao indray mandeha isan-taona ny SSMAF, ary efa eo am-panomanana  ny andiany fahatelo ireo mpikarakara, amin’izao fotoana izao.

“ Tahaka ireo fanao isan-taona, ny SSMAF dia seho goavana entina hanomezana lanja ny zava-kanto sy ireo mpiangaly azy na eo amin’ny ara maro seho izany, na fanatanjahan-tena na ny zava-kanto amin’ny literatiora. Fotoana iray ihany koa izy io hampitomboana traikefa ho an’ireo mpiangaly kanto ireo, ary izay ihany koa no tanjon’ny hetsika, ny hanome sehatra ireo tanora ao anatin’izany” hoy I Hasina, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.

“ Anisan’ny fotoana iray nahafahako naneho ny talenta nananako, ary nahafahako nitrandraka fahaiza-manao vaovao ny hetsika SSMAF. Ankoatra izay, nahitako fifandraisana vaovao tamin’olona tsy nampoizina, efa mpanantalenta, nifampizara traikefa ihany koa” hoy I Rado, mpanao ara maroseho.

Mandritra ny roa volana  no hanatontosana ny hetsika SSMAF. Azon’ny sokajin-taona rehetra, izay manan-talenta na tsia ny mandray anjara amin’ny hetsika. Marihina fa misy ireo karazana fifaninana izay azo lalaovin’olon-tokana na anaty ekipa ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire