Antananarivo Renivohitra : Hampiasa ny teknolojia amin’ny dingana ahazoana ny fahazoan-dalana hanorina
Dépêche 05 avril, 13h, Mivoatra manaraka ny toetr’andro ihany koa ny fomba fiasa eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny mahakasika ny fahazoan-dalan hanorina. Izany indrindra no hanatanterahana ny « digitalization » amin’ny dingana rehetra arahina hahafahana mahazo ny fahazoan-dalana hanorina. Ny anton’izany moa dia ny hambolena toe-tsaina mangarahara sy mahomby kokao amin’ny fomba fiasa sy eo amin’ireo mpisitraka sy ny mpiasa. Karazana rindram-baiko an-jotra tanteraka ity izay afaka hanarahan’ny tsirairay maso ny fizotran’ny fangatahan’izy ireo.
