Avaradrano : Manodidina ny 20 000 ariary ny vidin’ny vorona amin’izao fety izao
Ao anatin’ny fetin’ny asaramanitra tanteraka isika amin’izao. Miezaka manao izay mety avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy. Tahaka izany ihany koa ireo mpiompy sy mpivarotra vorona, izay fotoana tahaka izao no famoahan’izy ireo vokatra. Nihen-danja anefa ny fahazotoan’ireo mpividy vorona, fanao laoka fety, raha ny voalaza.
« Raha oharina ny lasa aloha dia tena nihena ny fividianana vorona tamin’ity fety ity, tsy tahaka ny mahazatra. tsy ahy koa na vokatr’ilay tsy fisian’ny vola sy ny fahasahiranana samihafa. Tsy lafo anefa fa manodidina ny 20 000 ariary eo ihany ny vidin’ny gana » hoy i Toky, mpivarotra.
« Efa tsy mahatakatra ny mividy zavatra lafo be intsony ny ankamaroan’ny olona amin’izao. Azo lazaina hoe ireo manam-bola sisa no tena mbola sahy manjifa. Kanefa tena miteraka fati-antoka ho an’ireo mpiompy izany » hoy i Santatra, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Mbola maro ireo mivelona amin’ny fiompiana eto amintsika. Manoboka mahazo vahana ao anatin’ny fandraharahan’ny tanora ihany koa izany. Mila fanohanana sy fijerena manokana ihany koa izy ireny, ahafahany mampivelatra sy mampiroborobo ity sehatra ity, izay tsy afa-misaraka amintsika.
Manitra R.
