Talata Volonondry: Tafapetraka ny vato fehizoro, fanombohan’ny asa fanamboarana ny lalambe migodana
Ny sabotsy 03 Desambra lasa teo no nantanterahana tamin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny lalambe migodana (autoroute) izay mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, tao amin’ny fokontany Ambolo, kaominina Talata Volonondry. Tonga tao an-toerana nametraka izany vato fototra amin’ny fanamboarana izany ny filoham-pirenena malagasy, narahin’ireo olom-panjakana isan-tsokajiny.
«Fotoan-dehibe tokoa izao fotoana izao satria lalana mitondra fampandrosoana, lalana mitondra firaisankina ary ho lalandrà hampifandray ny havokavoka ara-toekaren’ny nosy sy ny renivohitra ity lalana amboarintsika ity. » hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
«Nahazo ny anjarany avokoa ireo mponina rehetra nandritra ny fandalovan’ny filoham-pirenena teto an-toerana. Araka ny nolazainy, natomboka ny asa ary tsy maintsy vitaina. Novaliany ihany koa ny fangatahan’ny kaominina tamin’ny fanomezana kamiao sy moto ary ny fijerevana ny tsena ho lasa manara-penitra ary tsy maintsy sandaina amin’ny fotoana haingana ireo olona voakasika tany na tanimbary amin’ny fanamboaran-dalana” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
Miavaka ny fanamboarana ity lalana ity satria lalana migodana mirefy 260 km izay mahazaka fiara 4 (4 voies) manomboka ao Antananarivo mamakivaky an’Anjozorobe, Ambatondrazaka ary tonga any Toamasina no hamboarina amin’izany. Ny orinasa Egyptianina Samcrete moa no manatanteraka izany asa izany.
Manitra Ramanantsoa
