Fizahantany: Hiverina indray ny sambo Hanseatic Spirit
Dépêche 06 décembre, 14h, Efa faninefany amin’ny dia izay nataony izao ho ataon’ity Sambo lehibe mpitondra mpizahatany ity izao. Hiverina aty Madagasikara indray izy ny 5 ka hatramin’ny 10 desmabra izao raha vao avy aty herinandro vitsivitsy izay. Handalo an’ny Toamasina, Sainte Marie, Taolagnaro ary Toliara indray ity sambo ity amin’izao fiverenany izao. Mandritra ny fandalovan’izy ireo amin’ny toerana izay hijanonany dia hampiroboroboana ny fizahantany any an-toerana amin’ny alalan’ny fanehoana kolontsaina, ny fandrosoana sakafo sy ireo tolotra hafa mampiavaka ny toerana tsirairay. Izany rehetra hanatrarana ny tanjona mahakasika ny fampiakarana ny isan’ireo mpizahatany ho tonga aty Madagasikara.
