Misaona ny Tarika Solika sy Nada Miangola
Nodimandry ny alahady teo i Ravoaja Raveloarimanana Rakotondramasy Pauline fantatra amin’ny anarana hoe Line. Manana angolam-peo hafa kely i Line miavaka amin’ny feon’ny hafa, « tsy ho re intsony ilay angolam-peo mikarantsa » hoy i Mbosa nanamafy izany. Tafiditra ao amin’ny sokajim-peo voalohany ny tenany ary efa tarika maro no niangaliana. « Naha sarotiny azy ny fitanana ny fomba fihira sy ny tsy mandiso tononkira sy naoty amin’ny hira tranainy », hoy ny tarika R’Imbosa.
Tafiditra tamin’ireo namorona ny tarika Solika ny tenany ary anisan’ny mpikambana ela indrindra tao. Namorona ny tarika Nada Miangola ihany koa izy miaraka amin’ny rahavaviny. « Tena nahafinaritra ahy ity ramatoa ity, nanatan-talenta » hoy ny fanehoan-kevitry ny mpankafy iray, « ny tarika Riantsara no tena nahalalako » azy hoy izy, tarika ara-pilazan-tsara. Ny vata-mangatsikany moa dia efa voalevina androany maraina tany Miarinarivo Soavimbazaha.
Hasina Rasamimanana
