Toliara : Nijolotra ny setroka sy ny baomba mandatsa-dranomaso
13 Desambra, 07h00. Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso tao Toliary Andaboly ny 12 desambra teo. Betsaka mantsy ny olona nikasa hankalaza ny tsingrintaona nahaterahan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro no nosakanan’ny mpitandro filaminana. Tsy nisy ny naratra ary tsy nisy ihany koa ny maty nandritra ity hetsiak ity.
