Dépêches

Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona 03 teny amin’ny RN1

15 Desambra, 10h30. Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo amin’ny Secteur Tsinjoarivo Imanga, Tsiroanomandidy ny talata 14 desambra 2021 teo.Miaramila iray niaraka tamin’ny vady aman-janany nitaingina kodiaran-droa no nifandona tamin’ny fiara noentina zandary iray. Maty tsy tra-drano ilay zandary sy ireo miaramila mivady. Naratra kosa ny zanak’izy ireo vao 02 taona monja izay efa nalefa notsaboina any amin’ny Hopitaly be Tsiroanomandidy.

Laisser un commentaire