Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona 02 teny Ambatoroka
15 Desambra, 10h10. Teo ambanin’ny Clinique Saint Paul Ambatoroka no niseho ny tranga ny talata 14 desambra alina teo. Moto Cross iray no nidona tamin’ny rindrim-bato ka nahafaty tsy tra-drano ny ramatoa iray raha teny an-dàlana hamonjy hopitaly kosa no namoy ny ainy ilay lehilahy nitondra ny moto. Nandeha mady avy tany Ambohipo io kodiaran-droa io hoy ireo nanatry maso.
