Dépêches

Namoy ny aina ny dokotera miaramila Rakotoariniaina Hervé

10 Desambra, 14h00. Niatrika nivantana ny fitsaboana ny valan’aretina Covid-19 dokotera miaramila Colonel Rakotoariniaina Hervé, 50 taona. Lavo teo am-panatanterahina ny asany izy ny 7 Desambra teo rehefa niady tamin’izany tsimok’aretina izany. Lehiben’ny sampan-draharahan’ny aretim-pisefoana tao amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandrina ny tenany ary namela mananotena sy kamboty roa.

Laisser un commentaire