ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Ho avy tsy ho ela ny hetsika SSMAF andiany fahatelo

Hiverina indray ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena karakarain’ny BTC Ambohimangakely. Hiseho amin’ny alalan’ny hetsika isan-karazany toy ny isan-taona ny hetsika izay hotanterahina mandritra ny roa volana be izao.

« Efa afaka miomana sahady amin’izay hatolony ny mpandray anjara tsirairay satria sehatra maro no azo handraisana anjara ary loka maro ihany koa no ho zaraina. Santionany ihany ireto fa mbola maro no ho hita mandrityra ny fotoana : fampisehoana, karnavaly, fifaninanana isan-karazany, fampirantiana, tsenabe…Afaka mandray anjara avokoa araka izany ny rehetra hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny lehibe », hoy ny avy ao amin’ny fikambanana BTC, mpikarakara ny hetsika.

Marihina fa roa volana no hanatanterahana izany hetsika lehibe izay hentina hanomezana lanja ny kanto sy ny fanantanjahan-tena izany ka malalaka tsara ny fotoana fandraisana anjara. Hanomboka ny 15 jolay ka hatramin’ny 16 septambra izany fotoana izany. Azo atao ny manentana ireo izay hitanao fa mana-talenta eny amin’ny manodidina anao eny.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire