Nitsangana ny tetik’asa i-tafa na ny Ivontoerana Tanora sy Fampitaovana
Maro tokoa ankehitriny ireo fikambanan’ny tanora manana vina ny hanampy ireo tanora sahirana mpiray tanindrazana aminy mba hiarina amin’ny fiainana. Isan’izany ireo tanora mandrafitra ny « Projet Tanomafy-Jap » na ny Tanora Masoivohon’ny Filaminana eto Iarivo- Jeunes Ambassadeur de la paix.
« Ivon-toerana ahafahan’ireo tanora sahirana eto Antananarivo mihindrana fitaovana, mba ahazoan’izy ireo mitrandraka sy maka trakiefa ary ihany koa fahaizana amin’ireo sehatrin’ny asa mahaleo tena ity tetik’asa i-tafa ity » raha ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra.
« Ny tanjona dia ny hanomezana fanohanana arak’izay tratra ireo tanora tena sahirana ho fanampiana sy fanohanana azy ireo mba hananany fahalovan-tena arak’asa » raha ny fanazavan’i Tahiriniaina Angelos Josso Tiana, Talen’ny fiandraiketana ny « Entrepreneuriat et des Emplois des Jeunes » eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena nandritrin’ny lanonam-pitokanana ity « outilothèque » ity.
« Efa nanomboka ny taona 2019 no nanatanteraka fidinana ifotony sy nanao fanentanana ireo tompon’andraikitra ao amin’ity vondrona iray ity, fokotany miisa 41 ahitana tanora sahirana maro teto Andrenivohitra no nosafidian’izy ireo. Ary mpandray anjara teo amin’ny 1.000 mahery teo no nandrasana. Ireo mpandray anjara ireo izay navondrona sy notsinjaraina manerna ny atao hoe kioska 13 isa. Omena tombony manokana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy fanatsarana ny trakiefa mb ahafahan’izy ireo miditra eo amin’ny tontolon’ny asa. Tsy nijanona hatreo anefa ny fanomezan-tanana azy ireo fa nisy ihany koa ireo ankizy miisa 110 tamin’izy ireo tanora mpandray anjara teny ampiandohana no nisitraka vatsim-pianarana » hoy ihany ity farany.
Ity tetik’asa vaovao ity izy vatsian’ny « Peace Bulding Fund » sy ny « Fonds des Nations Unies pour la consolidation de la paix » vola, ary iarahana amin’ny ONG SAF/FJKM ihany koa.
« Isaorana manoka ireo mpiray tanindrazana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy tsy nanadino ireo tanora sahirana anefa maniry ny mba hanana trakiefa ivoarana amin’ny fiainana » raha naneho ny heviny i Avotra, tovolahy isan’ireo nahazo voasarika tamin’ity i-tafa ity.
Fanja Rakotoarisoa
