Manjakazaka eto amintsika ny vazaha mpanambola
Manjakazaka sy misehoseho eto amin’ny nosintsika ny vazaha vahiny. Mampiasa vola eto izy ireo ary ny gasy indray no lasa miasa ao aminy noho ny tsy fisian’ny asa. Miseho ho enjana ka manao izay tiany atao izy ireo, toy ilay tranga teny Talamaty izay namonoan’ilay vazaha ny sipany izay malagasy. Fa toy izao indray ny tranga tany Sainte Marie, ilay vazaha mpangala-badin’olona indray no nandrahona tamin’ny basy. Ny alahady atoandro, tamin’ny 1 sy sasany no nahazo antso ny Polisim-pirenena mikasika io fandrahonana niseho tao Belle-vue io. Nidina ifotony ny polisy 3 lahy nisambotra an’ilay nandrahona. Fantatra fa nanadala vadin’olona izy. Izy indray avy eo no nandrangaranga basy tamin’ny tompom-bady. Vazaha lahy antsoina hoe Chan, 43 taona, tsy manam-bady, miasa mitazona restaurant ao Sainte-Marie no naiditra am-ponja vonjimaika, nanomboka ny 13 Avrily, noho ny fandrahonana olona tamin’ny basy nisy bala iray. Taorian’ny fanadihadiana natao azy moa dia nihaiky i Chan fa nanao ilay fandrahonana tamin’ny basy. Io fitaovany io kosa dia notazonina ao amin’ny polisim-pirenena. Taorian’ny fiatrehany fampanoavana, nalefa any am-ponja vonjimaika izy. Mahantra eo ambany mpanambola ny Malagasy ka las aizy ireo no manjaka eto amin’ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
