SportTatitra

Paris 2024 : Notokanana ny kianja vaovao, Adidas Arena, handraisana ny lalao olimpika ao Frantsa

Vonona tanteraka ny ao Paris, amin’ny fandraisana ny lalao olympika ho an’ny taona 2024. Notokanana tamin’ity herinandro ity ny kianja vaovao, handraisana ny lalao ara-panatanjahantena eo amin’ny taranja baolina baskety.  Mahazaka olona hatramin’ny 8 arivo ity kianja Adidas Arena ity, raha ny voalaza. Manome lanja ho an’ny Paris ny fisian’ity kianja ity. Tao anatin’ny fanomanana ny lalao Olimpika tao France, dia ity kianja Arena ity ity irery ihany no nahorina tao an-drenivohitr’ity firenena ity. Ankoatra ny basket-ball dia handray ny taranja badminton, gymnastique rythmique, parabadminton ary ny para-haltérophilie ihany koa izy.

Laisser un commentaire