Israël : Voafidy ho filoha i Isaac Herzog
Voafidin’ny solombavambahoaka ho filoham-pirenena any Israël i Isaac Herzog omaly, na dia eo aza ny krizy politika any an-toerana. Filoha faha-11 teo amin’ny firenena raha nandimby ny toeran’i Reuven Rivlin. Nahazo ny vato 87 tamin’ny mpifidy izy raha 26 ny vato azon’ny mpifanandrina taminy i Miriam Peretz. Ny Praiminisitra any anefa no mitana ny fahefana mpanatanteraka izay tantanin’i Yaïr Lapid.
