SocialTatitra

Indonésie : Nisehoana fihotsahan-tany, olona 20 namoy ny ainy

Nisehoana fihotsahan-tany indray tao amin’ny faritr’i Célèbes, any afovoan’i Indonésie, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tatitra farany navoakan’ireo tomponandraikitra, mahakasika ireo olona lasibatra, dia 20 ireo namoy ny ainy tao anatin’izany. Nanano sarotra ny fikarohana ireo olona voatotry ny tany, ka anisan’ny mbola hitan’ireo mpamonjy voina omaly ny razan’ny renim-pianakaviana iray 43 taona sy ny zanany kely 3taona. Nitrangana fihotsahan-tany matetika tao Indonésia hatramin’ny niandohan’ity taona ity. Ny oram-be nikija tao an-toerana no voalaza nahatonga ity fihotsahan-tany ity, ary manampy trotraka izany ny fandringanana ny ala ataon’ny mponina.

Laisser un commentaire