ActualitésTsidika

PNUD : Firenena faha 173 amin’ny 191 i Madagasikara

Navoakan’ny PNUD tamin’ny tatitra nataony fa manana IDH 0.051 i Madagasiara ka voasokajy ho ao anatin’ny firenena marefo izay mametraka azy ho eo amin’ny laharana faha 173 amin’ny firenena 191.

« Tsy i Madagasikara irery no nihemotra tahaka izao fa firenena sy olombelona maro no niatrika olana goavana taoa natin’ny roa taona. Iny aretina covid-19 sy ireny krizy ara-ekonomika isan-karazany ireny no niteraka izany olana izany. Nanova tanteraka ny rafi-pandrefesana ny fandrosoana maneran-tany ireny olana anatrehan’ny firenena isantokony ireny » hoy ny avy ao amin’ny PNUD. Nahita izany i Nantenaina, mpianatra ekonomia eny Ankatso dia naneho ny heviny : « ny fampandrosona izany miainga avy amin’ny tsirairay ka raha samy tonga saina ny olona rehetra fa manana andraikitra ho amin’ity Madagasikara ity dia samy manao izay kely vitany dia vetivety dia mahita vokatra, mitovy amin’ny manao fanatanjahantena ihany izy io ka ilaina fiaraha-miasa ». Mbola lavitra ny lalan’i Madagasikara raha te handroso, ary ny vahaolana voalohany indrindra aloha dia ny fanampiana ny tantsaha amin’ny asany, ahafahana mampihena ny fanafarana ireo entana ilaina amin’ny anadavan’andro izay tena mandany vola sy mampiakatra ny vidin’entana ».

Ilaina ny foto-drafitr’asa tsara sy manaraka ny fenitra, tanjona mila tratrarina voalohany anefa dia ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy mba hampiakatra ny fari-piainan’ny tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire