ActualitésTsidika

Masindray : Mitaraina amin’ny fomba fiasan’ny mpitatitra ny mpandeha

 

Nametraka fitarainana ho an’ny tompon’andraikitra misahana ny zotra mampitohy an’ny kaominina Masindray sy Ambohijatovo ireo mpandeha ao an-toerana ny fiandohan’ny herinandro teo. Mahakasika ny fomba fiasan’ny zotra sy ny saran-dalana no nanaovan’izy ireo antso avo amin’izany.

Taorian’ny fampiakarana ny saran-dalàna ho an’ny fiara mpitatitra rehetra, nahatratra 50% ny fiakarana ho an’ny zotra miasa ao an-toerana. Tsy mifanaraka amin’izay kosa anefa ny tolotra omen’ny fiara mpitatitra, izay voalaza fa tena mampijaly ny mpandeha indrindra amin’ny fodiana amin’ny hariva.

« Noho ny alaviran-dalana ataon’ny zotra, voatery mihitsy ireo mpitatitra ny mijanona amin’ny folak’andro. Efa misy ny lamina napetraka fa hatramin’ny 4 ora hariva no misy fiara midina any Masindray farany. Antony hafa ihany koa, vitsy dia vitsy ireo mpandeha miakatra avy any Masindray ka lasa mandeha tsy feno ny fiara ka miteraka fatiantoka » hoy i Rija, mpamily.

« Rariny ihany aloha ilay saran-dalana satria tena alavitra ilay toerana saingy ny angatahanay dia hoe mba hiasa tsy mihato ireo fiara. Mampijaly ilay izy satria mbola betsaka ireo olona milahatra eto na any an-dalana any mbola misy olona mody any Masindray kanefa ilay bus tsy misy ka tena voatery izahay mandeha tongotra rehefa tena tsy misy manomboka eo Ambohimanambola » hoy i Fidèle, mponina ao Masindray.

Raha tsiahivina, 1 000 Ariary ny saran-dalana ho an’ny zotra miasa ao amin’ny kaominina, ka niakatra 1 500 ariary.  Miandry ny fandraisanana andraikitra avy amin’ny tomponandraikitra araka izany ireo mponina entina hanatsarana ity zotra ity sy ny fanajana ny zon’ny mpanjifa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire