Anosy Avaratra : Zana-kazo 1600 isa no nambolena niaraka tamin’ny ministeran’ny mponina
Nisy ny fambolen-kazo nataon’ny ministeran’ny mponina, tao amin’ny kamonina Anosy avaratra, ny herinandro teo. Zana-kazo manodidina ny 1600 isa no voavoly tao an-toerana, araka ny voalaza.
« Nandray anjara tamin’ny fambolen-kazo teto an-toerana ireo ray aman-dreny grand chancelier, sy ny avy amin’ny distrika avaradrano, ary ny avy amin’ny sampam-draharaha isan-tokony. Entanina ny rehetra mba hitandrina ireny zana-kazo ireny satria ho tonga haingon’ny tanana izay mamerina ny tontolo iainana sy mamelon’aina ny fambolen-kazo » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Adidy amin’ny tanindrazana ny fambolen-kazo. Manana anjara amin’ny fanatanterahana izany avokoa ny tsirairay ary tsy tokony hiandry an’iza na iza satria iaraha-mahita ny fahasimban’ny tontolo iainana amin’izao fotoana. Ka fotoana izao hanovana sy hanaovan-javatra mba ho lovan’ny taranaka » hoy avy amin’ireo mpanabe.
Mbola ao anatin’ny fotoana fambolen-kazo isika amin’izao fotoana. Ao anatin’izany anefa, zava-dehibe ihany koa ny fanaraha-maso sy ny fikolokoloana ireo zana-kazo novolena mba tsy ho maty maty momoka ireo ezaka natao nandritra ny fambolen-kazo.
