ActualitésTsidika

Maroantsetra : Angatahan’ny vahoaka ny hamitana ny barazy miisa 9 hanondraka tanimbary

Tanimbary mirefy 40 000 ha izay tafiditra ao anatin’ny Distrikan’ny Maroantsetra no tany azo volena ao Analanjirofo. Velaran-tany kely ihany anefa no azon’ny mpamboly hampiasaina noho ny tsy fisian’ny rano sy ny faharatsian’ny foto-drafitr’asa. Misedra olana maro ireo mpamboly ka toho-drano miisa 9 no hanagatahin’ny mponina hamboarina hahafahana mamaha ny olana.

« Midangana dia midangana io olmana io. Tsy vitan’ny asa-tanamaro. Barazy miisa 9 vao afaka mamaha ireo olana sedrainay ireo, izany hoe afaka manondraka io tanimbary io. Mizara roa mazava tsara manko ireo olana ireo. Eo ny tanimbary maina; eo koa ny tsy voafehy ny rano ka mila fanajariana. Maro ihany koa ny tombony azo raha voavaha ireo olana ireo ka izany no tokony hijerevana ny laharam-pahamehana », hoy ny Loholona avy ao Analanjirofo.

« Afaka mampitombo ny voka-bary izahay raha vita ireo barazy ireo. Izany hoe afaka hiantoka ny 90% amin’ireo fidirambolan’ny tokantrano ihany koa ny fananganana ireo foto-drafitr’asa ireo », hoy ny solontenan’ny mponina ao Maroantsetra.

Tafiditra ao anatin’ny fanamby ny fahafahana manana fahaleovan-tena ara-tsakafo ka tsy maintsy ho atao ireo foto-drafitr’asa ireo. Hirariana ihany koa ny fahavitan’izany mialohan’ny fotoam-pambolena sy ny fahavaratra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire