ConseilTsidika

Torohevitra : Ireo sakafo tsara hanina aorian’ny fety

Vita soa aman-tsara izay ny fanakalazana ny fetin’ny paska. Maro ireo seho sy hetsika nampiala voly nandritra izay fotoan’ny faran’ny herinandro izay somary lava tokoa. Nisy ny nivoaka naka rivotra, nanatanteraka fitsangatsanganana niaraka tamin’ny fianakavina, nisy ihany koa ireo nanala azy niaraka tamin’ny tapaka sy namana.

Manomboka miverina tsikelikely ary hiatrika ny fiainana andavan’andro indray amin’izao. Misy ihany anefa ireo fitandremana tsara atao, indrindra ny eo amin’ny fikojana ny fahasalamana. Rehefa navesabesatry ny sakafo sy ny zava-pisotro ny vavony, tsara ampangalana aina kely. Mila misakafo maivana araka izany, ary tsy atao mavesatra mankarary ny vavony ny zavatra hanina mba hanarenana azy.

Ohatra anatin’izany, ny sakafo voalanjalanja, tsy be menaka sy be siramamy na manaitaitra ny aty intsony no hanina. Izany hoe, ezahana ny mihinana matsatso satria ireo sakafo mavesatra nandritra ny fety dia mitahiry menaka ratsy any anaty ka mety hiteraka tsy fahasalamana.

Ankoatra izany, ireo sakafo maivana kanefa mahavelona. Tsy voatery hoe tsy hihinan-kena raha vao tsy mihinana matsiro. Misy ireo sakafo manan-karena proteina izay tena ilan’ny vatana, ao anatin’izany ny nofon-kena tsy matavy amin’ny trondro sy akoho, ny soja. Ankoatra izay, ny salady miaraka amin’ny voasarimakirana.

Mety samy manana ny fomba fikolokoloana ny vavony avy ny tsirairay, ny tanjona anefa dia ny fananana fahasalamana ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire