France : Lehilahy iray no voatsatok’antsy in-80 tao Pas-de-Calais
Hita faty tao an’efitranony, tao amin’ny trano iray ho an’ny tanora « travailleurs de la rue de la Liberté » tao Liévin, Pas-de-Calais i Florian Lenglet, 24 taona ny herinandro lasa teo. Rehefa tonga tao an-toerana ny manam-pahefana dia ny vata-mangatsiakan’io tovolahy io efa nitsirara tao anaty rà no novantanin’izy ireo.
Voatsatok’antsy in-80 tao amin’ny lamosiny sy teo amin’ny kibony i Florian Lenglet raha ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra. Vetivety ihany nefa dia fantatra ny nahavanona ny loza. Tovolahy mitondra ny fanampinan’anarana mitovy aminy, 26 taona ary efa niara nipetraka taminy izany. Nandalo tao amin’ity lehilahy niaram-boina ity io nahavanon-doza io tamin’ny andro nisehoan’ny loza. Nifamaly izy ireo raha ny fanazavana ary rehefa nisy ny fifandirana dia niafara tamin’ny fikasian-tanàna izany.
Efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana kosa i Florian B. amin’izao fotoana. Mbola tsy nitondra fanazavana momba ny anton’ny fifamaliany tamin’i Florian Lenglet ny tenany.
