ActualitésTsidika

  Distrika Atsimondrano : Nanatanteraka atrik’asa  sy tatitra mikasika ny vakisiny Covid

Samy nanana ny fomba nananterahana ny  fanentanana ny olona amin’ny fanaovana vakisiny ny Distrika tsirairay teo amin’ny faritra Analamanga. Raha ho an’ny Distrika Atsimondrano manokana de betsaka ny olona no efa vita. Misy koa anefa no tsy marisika amin’ny fanaovana vakisiny nohon’ny tsy fahatokisana na tsy faharesena lahatra. Sarotra ho an’ny olona ny hieritreritra ny zava-tsoa aterakin’ny fanaovana vakisiny ka mila ezaka be izany avy amin’ny ireo mpiasan’ny fahasalamana. « Betsaka ny nahavita tamin’ny fidinana ifotony nataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana teny amin’ny Fokontany.Nefa mbola Mila ezaka sy fanentanana. », arakan’ny nambarany teo anivon’ny kaominina Androhibe.

Mila finiavana sy faharetana ny mandresy lahatra ny olona amin’ny fanaovana vakisiny izany raha eto an-toerana. Ilaina ny fitadiavana paikady hafa mba hisian’ny vokatra mahafa-po sy hitombohan’ny tahan’ny olona hanao izany. Anisan’izany ny fijorona vavolombelona izay tena mandaitra tokoa mba hinoan’ny olona sasany izay mbola tsy resy lahatra. « Nijoro vavolombelona ny Ben’ny Tanana avy ao Bemasoandro Andriamatoa Rabefakatro izay efa zokiny ra taona no resahina,fa mahatsiaro tena matanjaka tsy mora handairan’ny aretina rehefa nahavita vakisiny . »Rehefa hitan’ny olona mantsy ny vokatra dia tapa-kevitra ho azy ny tsirairay hanantanteraka izany fanaovam-bakisiny izany.

Mbola ezaka lehibe  tokony  ataon’ny  malagasy ny fanekena fa zava-dehibe ny fanaovana vakisiny. Tokony mandray anjara mavitika nohon’ny izany ireo olona ambony mba ataon’ny olona fitaratra. Raha izy ireo mihitsy no milatsaka manentana sy mandresy lahatra ny vahoaka tantanany dia  ho resy lahatra ny olona. Io tetikady io no hita fa tena mahomby satria dia ny olona ambony foana no alain’ny vahoaka tahaka amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra .Adidin’ ny tsirairay anefa no manome lanja ny fahasalamany mba hisorohana amin’ny aretina tsy hiparitaka.

Erwan RAN

Laisser un commentaire