Kaominina Antananarivo Renivohitra : Miisa 16 ireo mpivarotra nafindra toerana tany Ambohimanarina
Mpivarotra 16 no nafindra teny an-tsena natokana ho azy ireo teny Ambohimanarina satria hita fa mbola teny amin’ny arabe ihany izy ireo no nivarotra. Marihina hatrany fa ny tsena dia ho an’ny mpivarotra, ny arabe ho an’ny fiara, ny sisin-dàlana ho an’ny mpandeha tongotra.
« Voaelingelina ny fifamoivoizana sy ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Noho izany dia nampidirina ao anaty tsena izay efa voatokana hivarotana izy ireo » hoy ny tompon’andraikitra. « Anisan’ny ezaka lehibe atao eto amin’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fandaminana ny tsena izay natokana ho an’ny mpivarotra, ka tokony any no ahitana azy fa tsy sanatria eny an-dalana indray, kanefa ny tsena efa natokana ho azy ireo dia mbola malalaka tsara, ahafahan’izy ireo mivarotra » hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriatsitohaina Naina.
Etsy an-kilany nilaza ireo mpivarotra fa eny an-dalana no tena mahamora ny fandafosana ny entana amidiny, satria vitsy ny mpividy miditra ao anaty tsena. Tokony hisy ny fanentanana omena ny mpividy mba ho eny amin’ny tsena irery ihany no iantsenany, satria raha ny mpivarotra irery no tenenina dia zava-poana ihany. Mila atao mafy ny serasera manodidina io tsena io, indrindra ny eny Behoririka, izay mbola hita fa maro ireo mpivarotra eny an-dalambe. Mitovy avokoa mantsy ny rehetra eo ambony lalàna ka tokony hitovy ny fampiharana izany.
Nicole Rafalimananjara
