SocialTatitra

Gaza : Fikambanana Espagnole iray nanatsahatra ny fanomezana fanampiana ireo olona hianjadian’ny ady

Nanao fanambarana ny hanatsahatra ny hetsikany ao Gaza, ny fikambanana tsy miankina espagnole Open Arms, taorian’ny tranga famoana ireo mpitondra fanampiana miisa fito avy amin’ny fikambanana World Central Kitchen (WCK), ny herinandro teo. Io fikambanana io izay niara-niasa tamin’ity WCK ity tamin’ny fampiasana ny sambo nitondra fanampiana ho an’ny olona nianjadian’ny ady tao Gaza. Noho izany, dia mangataka ny valiny sy fanazavana manoloana ireo famonoana tsy an-drariny ireo mpitondra fanampiana ny talen’ity fikambanana ity. Izy ireo izay tokony nanatanteraka ny fizarana fanampiana taorian’ny fahatongavan’ny sambo manaraka, ny alarobia teo, ka voatery hanatsahatra izany fanampiana izany.

Laisser un commentaire